Remise de matériels informatiques à la "Plateforme de traitement du Covid-19"

11 août 2020

Nanolotra solosaina miisa 11 ho an’ny «Plateforme de Traitement Covid-19» Mahamasina, ny Direction Générale INSTAT izay organisme eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola ny Talata 04 Aogositra 2020. Ireo fitaovana ireo dia anjara biriky entin’ny Ministera amin’ny ady atao amin’ny valanarentina Covid-19 eto amin’ny firenena.

 

Andriamatoa Mamy Hery Andriamampandry, Filohan’ny Filankevimpitantanan’ny INSTAT no nisolo tena an’Andriamatoa Ministry ny Toekarena sy ny Fitatanam-bola sy ny Tale Jeneralin’ny INSTAT tamin’io Fotoana io ka araka ny nambarany tamin’ny lahateny fohy nataony dia ny hanafainganana sy hanatsarana kokoa ny asan’ireo Mpisehatra ao an-toerana no tanjon’ireo fanomezana ireo.


La Direction Générale de l’INSTAT, un organisme sous tutelle du Ministère de l’Economie et des Finances a octroyé un lot de 11 ordinateurs de bureau pour la «Plateforme de Traitement Covid-19» Mahamasina. Ces équipements informatiques constituent la contribution du Ministère pour la lutte contre la pandémie de Covid-19 dans le pays.


Le Ministre de l'Economie et des Finances a été représenté par Monsieur Mamy Hery Andriamampandry, Président du Conseil d'Administration de l'INSTAT. Il a souligné lors de son allocution que ces équipements informatiques sont destinés à accélérer et rendre efficace la lutte contre la pandémie à Madagascar.